KRAOMA: Le nouveau DG installé

Le Ministre des Mines et des Ressources stratégiques, Fidiniavo RAVOKATRA a effectué ce mardi 19 février 2019 un déplacement à Brieville pour présenter le nouveau Directeur général de la société KRAOMA S.A, Nirina RAKOTOMANANTSOA, ainsi que deux des sept membres du Conseil d’administration.  Ce fut l’occasion pour le Ministre des Mines et des Ressources stratégiques de donner ses consignes. « L’heure est à la reprise immédiate du travail », a-t-il martelé. Ainsi, les membres du personnel aussi bien au niveau central que sur le site de Brieville doivent incessamment rejoindre leur poste respectif. Les mots d’ordre sont stricts : « débloquer les situations difficiles et redémarrer immédiatement la société ». Parmi les solutions avancées par le Ministre, le paiement des salaires impayés. Lors de ce déplacement à Brieville, le Ministre Fidiniavo RAVOKATRA a annoncé la mise en place d’une plateforme d’échange tripartite composée des représentants du personnel, de l’administration et des partenaires russes. Et cela, pour mettre en pratique la transparence et la bonne gouvernance prônée par le Régime actuel. Toujours dans cette optique, le Ministre des Mines et des Ressources stratégiques a également donné des consignes strictes afin que soit mené un audit approfondi des cinq précédentes années pour trouver les causes du déclin de KRAOMA.

 

Par ailleurs, le Directeur général de la société d’Etat Kraomita malagasy, Nirina RAKOTOMANANTSOA a tout de suite annoncé la couleur : un changement sera effectué au sein de cette société d’État pour marquer le début d’une nouvelle page. Changement qui n’est pas fortuit car il vient à point en ce 50ème anniversaire de la création de Kraomita malagasy. Dans son allocution devant les membres du personnel du site de Brieville, le nouveau Directeur général a avancé qu’il sera davantage présent sur le site pour accélérer la relance de cette société d’État.

 

Le représentant du personnel, Dina ANDRIANIRINA, quant à lui, a annoncé publiquement la fin officielle de la grève. Il convient de noter que la société KRAOMA a actuellement près de 43 milliards d’Ariary de dettes, alors que pendant ses 50 années d’existence, la société KRAOMA a pu exporter plus de 6 millions de tonnes de minerai.

En marge de cette cérémonie d’installation officielle du nouveau directeur général de KRAOMA, la délégation conduite par le Ministre Fidiniavo RAVOKATRA a visité le dispensaire de la société. Un dispensaire en situation précaire car le stock des médicaments y est en passe d’être épuisé alors que ce dispensaire assure la consultation médicale des membres du personnel ainsi que de leur famille.

 

KRAOMA: Tafapetraka ny Tale Jeneraly

Nidina tany Brieville androany ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo RAVOKATRA nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneraly vaovao, Nirina RAKOTOMANANTSOA, sy mpikambana roa amin’ireo fito mandrafitra ny filakevim-pitantana. Nandritra io fotoana io no nanomezan’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika toromarika entitra : miverina miasa avy hatrany ny mpiasa. Araka izany, nanamafy ny mpiasa fa handray ny asany avokoa na ny eto Antananarivo na ny any amin’ny toeram-pitrandrahana any Brieville. Ny Ministra kosa dia nanamafy fa hofaina ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa hatramin’izay. Nandritra io fidinany tany Brieville io ihany koa dia nohamafisin’ny Ministra Fidiniavo RAVOKATRA fa hapetraka ny vovonana hifanakalozan-kevitra hahitana ny solontenan’ny mpiasa, ny solontenan’ny Fanjakana ary solontenan’ny rosiana. Izany dia mba ho fanamafisana ny fangaraharahana sy ny fahaiza-mitantana resahan’ny fitondrana ankehitriny. Momba izay ihany, nanome toromarika ihany koa ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika fa hisy ny fitsirihana ny dimy taona taloha mba hahafahana mijery ny fototry ny fahosan’ny orinasa Kraoma ankehitriny.

 

Tetsy an-kilany, ny Tale Jeneraly vaovaon’ny orinasam-panjakana Kraomita malagasy, Nirina RAKOTOMANANTSOA dia nanabaribary avy hatrany ny fanovana : fanovana izay entina eo anivon’ity orinasam-panjakana ity, izay hanamarihana ny fanombohan’ny pejy vaovao amin’izao fankalazana ny faha-50 taonan’ny nitsanganan’ny Kraomita Malagasy izao. Tamin’ny fandraisam-pitenanany nanoloana ireo mpiasa tao Brieville, nilaza ny Tale Jeneraly vaovao fa ho avy matetika eo amin’ny toeram-pitrandrahana izy mba hanafainganana izay fanarenana ny orinasa izay.

 

Ny solontenan’ny mpiasa, Dina ANDRIANIRINA kosa, nilaza am-pahibemaso fa mifarana tanteraka ny fitokonana. Marihina fa ny orinasa KRAOMA dia mibaby trosa 43 miliara ariary ankehitriny, kanefa nandritra izay 50 taona nijoroany izay, dia efa nahavita nanondrana kraoma 6 tapitrisa taonina ny KRAOMITA malagasy. Ankoatra io fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny tale jeneraly vaovao io, nitsidika ny dispanseran’ny orinasa ihany koa ny delegasiona notarihin’ny Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA. Toeram-pitsaboana izay misedra olana ihany koa satria tsy misy intsony tahirina fanafody kanefa io no hany toeram-pitsaboana ahafahan’ny mpiasa sy ny ankohonany mizaha ny fahasalamany.