L’Afrique du Sud partagera ses expériences

Le partenariat entre l’Afrique du Sud et Madagascar a duré 44 ans.  Confirmer ce partenariat, tel est l’objet de rencontre de SEM Mme Maud Dlomo Vuyelwa, Ambassadrice du pays de Nelson Mandela dans notre pays chez le Ministre des Mines et des Ressources stratégiques Fidiniavo Ravokatra, cet après-midi. Ainsi, plusieurs points ont été abordés par les deux personnalités lors de cette entrevue, entre autres, la formation des techniciens au sein du département ministériel, la coopération gagnant-gagnant, l’équipement du laboratoire des mines. La diplomate a souligné que l’Afrique du Sud a su tirer profit de ses ressources minières et en fait un pilier de développement. Son pays compte appuyer la grande île mais également partager leurs expériences dans ce secteur. De son côté, le ministre de tutelle souhaite raffermir une étroite collaboration .  Après la diplomate sud-africaine,le Ministre Fidiniavo Ravokatra s’est entretenu avec  Mohamed A.Cherif, représentant de la Banque Africain pour le Développement en charge de la région Afrique Australe.

Hizara traikefa i Afrika Atsimo

44 taona no naharetan’ny fiaraha-miasa teo amin’i Afrika Atsimo sy i Madagasikara . Hanamafy izany fiaraha-miasa izany no nahatongavan-dramatoa Maud Dlomo Vuyelwa, ambasadaoron’io tanàna io eto amintsika ttao amin’Andriamatoa Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra teny Ampandrianomby. Teboka maromaro no voaresaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta,ny fanofanana ireo teknisiana eo anivon’ny Ministera, ny fiaraha-miasa ahazoan’ny ankolafy roa tombony mitovy, ny fampitaovana ny trano fitiliana an’ny Ministera.Notsipihin’ity masoivoho vahiny ity fa fototra nampandroso an’i Afrika Atsimo sy ny mponina ao aminy ny harena an-kibon’ny tany ananany. Hizara traikefa sy hanohana antsika araka izany i Afrika Atsimo mba hisitrahantsika malagasy ny tamberina avy amin’ny harena an-kibon’ny tanintsika. Tetsy andaniny, nampiseho fahavonona hiara-hiasa ihany koa ny Minisitra tompon’andraikitra. Taorian’ny fihaonany tamin’ny masoivoho afrikanina tatsimo,nandray ny solontenan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana misahana an’ i Afrika tapany atsimo ny Minisitra.