VISITE DE COURTOISIE DE L’AMBASSADEUR DE CHINE AU MINISTRE DES MINES ET DES RESSOURCES STRATEGIQUES 


L’ Ambassadeur de la République Populaire de Chine à Madagascar, SEM Yang XIAORONG a effectué une visite de courtoisie auprès du Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques, Monsieur Fidiniavo RAVOKATRA ce Vendredi 22 mars 2019, à Ampandrianomby. 

Cette rencontre s’inscrit dans le cadre de la consolidation de la coopération sino-malagasy, et plus particulièrement la coopération économique. C’était également une occasion pour la diplomate chinoise pour réaffirmer la volonté des investisseurs chinois de travailler dans le secteur minier malagasy. Cette rencontre a permis à l’Ambassadeur de Chine de prendre connaissance des textes et lois en vigueur, régissant les investissements à Madagascar, surtout dans le domaine minier. Et ce afin de pérenniser l’activité des futurs investisseurs.

« Nous avons également parlé d’infrastructures pour lesquelles la Chine apportera sa contribution », a souligné le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques, Monsieur Fidiniavo RAVOKATRA.

De son côté, SEM Yang XIAORONG a souligné que :“La Chine attache beaucoup d’importance à la coopération avec Madagascar. Nous pensons que Madagascar dispose de fortes potentialités pour mettre en œuvre le développement, d’autant plus que Madagascar a ouvert un nouveau chapitre. La Chine va accompagner ce développement et renforcer la coopération dans tous les domaines y compris le domaine minier ». L’ Ambassadeur de la République Populaire de Chine a réitéré que les futurs investisseurs étrangers s’adapteront et respecteront les lois et règles régissant le domaine. La Chine, par la voix de SE Madame l’Ambassadeur, a également félicité Madagascar d’avoir franchi un pas important lors des dernières élections présidentielles et souligne que Madagascar entame une nouvelle page de son histoire.

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’I CHINE TAO AMIN’NY MINISTRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA


Nanatanteraka fitsidihana tamin-pomba fanajana tao amin’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Fidiniavo RAVOKATRA ny Masoivohon’ny firenena sinoa miasa eto Madagasikara, Ramatoa Yang XIAORONG androany teny Ampandrianomby. Nambaran’io Masoivoho io fa maro ireo sinoa te hampiasa vola eto Madagasikara, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Nifampidinihan’ny roa tonta ihany koa nandritra ny fihaonana androany ny fomba hiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fanarahan-dalàna mba « hampahafantarana ny mpamatsy vola ny lalàna sy soatoavina ka haharetan’ ny fampiasam-bolan’izy ireo eto Madagasikara », hoy ny Ministra Fidiniavo RAVOKATRA. Voaresaka ihany koa ny sehatry ny fotodrafitrasa satria betsaka ny fandraisan’anjara ataon’ny sinoa eo amin’izany.

Tetsy an-daniny, ny Ambasadaoro Yang XIAORONG kosa dia nanamafy fa : »mametraka ho zava-dehibe ny fifandraisana amin’i Madagasikara i Chine. Heverinay fa manana harena betsaka i Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana sady efa nanokatra pejy vaovao rahateo eo amin’izay sehatry ny fampandrosoana izay. Hanohana an’i Madagasikara hatrany i Chine ary hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra rehetra, tafiditra ao anatin’izany indrindra ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ».  Nankasitraka ny fifidianana izay tontosa soa aman-tsara teto Madagasikara ihany koa ny Masoivoho sinoa ary nilaza fa miditra pejy vaovao izao ny tantaran’i Madagasikara.