REBOISEMENT ET VISITE DE SITE A BRIEVILLE 
Samedi 23 mars 2019

La grande famille de la société Kraomita Malagasy (Kraoma S.A) a effectué un reboisement à Brieville ce samedi 23 mars 2019. Le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques, Monsieur Fidiniavo RAVOKATRA a honoré de sa présence ce reboisement aux côtés du Directeur Général de la Kraoma S.A, Monsieur Nirina RAKOTOMANANTSOA et du Secrétaire Exécutif de l’Initiative pour la transparence de l’Industrie extractive EITI, Madame Daniella RANDRIAFENO. Les autorités locales et les services déconcentrés ainsi que les partenaires étrangers de Kraoma à Brieville, à savoir Ferrum Mining et APC Mining ont également apporté leur contribution à ce reboisement. 
5750 plants d’arbres ont été mis en terre sur environ 2ha.
A noter que ce reboisement marque l’ouverture officielle du 50ème anniversaire de la Kraomita Malagasy.
En marge du reboisement, le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques a visité l’usine de traitement de chrome. La délégation a par la suite visité la mine de Bemanevika d’où sont extraits les minerais bruts. L’état de la mine ne répondant plus aux normes, le Ministre Fidiniavo RAVOKATRA, en tant que technicien, a donné consignes pour « redresser le schéma d’exploitation afin d’éviter les erreurs commises dans le passé.  » Évitons l’ écrémage du gisement. Je vous encourage à le rationnaliser au maximum », a-t-il souligné.
Dans la foulée, le premier responsable du Département des Mines a tenu des séances de travail avec les représentants des partenaires étrangers de la Kraomita malagasy, à savoir ceux de Ferrum Mining et ceux de l’APC. Il a également rencontré les cadres de la société Kraoma S.A.

 

FAMBOLEN-KAZO SY FITSIDIHANA TAO BRIEVILLE
Sabotsy 23 marsa 2019

Nanatanteraka fambolen-kazo tao Brieville androany Sabotsy 23 marsa ny fianakaviamben’ny Orinasam-panjakana Kraomita Malagasy (KRAOMA S.A). Nanome voninahitra izany ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Kraoma, Andriamatoa Nirina RAKOTOMANANTSOA sy ny Sekretera mpananteraky ny « Initiative pour la transparence de l’Industrie extractive » EITI, Ramatoa Daniella RANDRIAFENO. Nanatrika io fambolen-kazo io ihany koa ireo tomponandraiki-panjakana, ireo ratsamangaikan’ny sampandraharaha ao Brieville ary ireo mpiaramiombon’antoka vahiny miara-miasa amin’ny KRAOMA S.A, ny Ferrum Mining sy ny APC mining. 
Zanakazo 5750 no nambolena tamin’ny velarantany 2ha.
Ity fambolen-kazo ity no manokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroan’ny orinasa Kraoma. 
Taorian’ny fambolen-kazo dia nitsidika ny orinasa fanodinana ny kraoma ary nijery ny lafiny teknika ny Ministra Fidiniavo RAVOKATRA sy ireo mpiara-dia aminy. 
Taorin’izay nihazo avy hatrany an’i Bemanevika indray ny delegasiona notarihin’ny Ministra sy ny Tale Jeneralin’ny Kraoma. Toeram-pitrandrahana izay hita fa tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy. Manoloana izany, amin’ny maha-teknisiana azy, dia nanome toromarika ny Ministra Fidiniavo RAVOKATRA fa mila harenina aloha ny toerana mba hitsinjovana ny fitrandrahana ao aoriana. Tokony hialana ny hadisoana teo aloha izay nanomezan’ireo tsy teknisiana baiko hanenjehana fotsiny ny famokarana. « Aoka hialatsika, hoy izy, ny fitsaingohana ny harena an-kibon’ny tany. Mankahery anareo aho mba hahay hampiasa azy araka ny tokony ho izy »
Nihaona tamin’ny mpiara-miombonantoka vahiny ny Ministra, ary avy eo dia nihaino ireo mpiasa mpitarika eo anivon’ny Kraoma.