PASSATION DE SERVICE

Le Commissaire divisionnaire de Police RAKOTONJANAHARY Fidèle a été nommé à la tête de la Direction de la Police des Mines. La passation de service entre le Directeur entrant et son prédécesseur par intérim, le Commissaire de Police ANDRIANTOMPO Stephano s’est tenu ce jour, dans les locaux de ladite Direction à Ampandrianomby. Dans son intervention, le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques Fidiniavo Ravokatra a loué les efforts déployés par les anciens dirigeants. Nombreux sont les défis à relever afin de développer Madagascar. Selon toujours le Ministre, tout un chacun devra prendre sa part de responsabilité pour la réforme dudit secteur dans le but de préserver nos ressources minières, de favoriser la bonne gouvernance et la transparence ainsi que la lutte contre la corruption. Aussi a-t-il formulé le souhait que quiconque ne soit un blocage pour l’atteinte de cet objectif. Par ailleurs, il a félicité et encouragé le nouveau Directeur pour sa mission. A titre de rappel, le nouveau Directeur de la Police des Mines, le Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTONJANAHARY Fidèle a été nommé lors du Conseil des Ministres en date du 20 Mars dernier.

FIFAMINDRANA ARAK’ASA

Voatendry hitantanana ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany ny kaomisera divizionera RAKOTONJANAHARY Fidèle. Notanterahina androany 25 Martsa 2019 teny Ampandrianomby ny fifamindrana arak’asa teo aminy sy ny mpisolo toerana azy vonjimaika dia ny Kaomisera ANDRIANTOMPO Stephano. Nankasitraka ny ezaka vitan’ireo tompon’andraikitra teo aloha ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra. Mbola maro, hoy izy, ny fanamby miandry ny rehetra amin’ny ho fampandrosoana ny firenena. Mitaky fandraisana andraikitra sy fanavaozana ity sehatry ny harena ankibon’ny tany ity, ho fiarovana ny harem-pirenena, ny fampanjakana ny tsara tantana sy ny mangarahara, indrindra ny ady amin’ny kolikoly raha ny nambaran’ny Minisitra tompon’andraikitra. Antenaina fa hiombon-kevitra ny tsirairay hahatrarana ireo fanamby ireo, hoy hatrany izy . Nirary soa sady nankahery ny Tale vaovao hitantana ity sampan-draharaha ity ny Minisitra . Tsiahivina fa ny filankevitry ny Minisitra ny Alarobia faha-20 Martsa lasa teo no nahavoatendry ny Kaomisera Divizionera RAKOTONJANAHARY Fidèle ho Tale hiandraikitra ny polisin’ny harena ankibon’ny tany.