JIOI  2019

Les joueurs de tennis de table reçus par le Ministre coach.

L’ île Maurice accueillera cette année, la dixième édition des Jeux des Iles de l’Océan Indien (JIOI) qui se déroulera du 19 juillet au 28 juillet prochain . Dans cette optique, le gouvernement a pris sa responsabilité vis-à-vis des équipes nationaux qui participeront à ce rendez-vous sportif . Dans ce cadre, en sa qualité de coach de la discipline tennis de table, le Ministre des Mines et des ressources stratégiques Fidiniavo RAVOKATRA a reçu, ce matin, à Ampandrianomby, la délégation qui  représentera Madagascar à Maurice. Ladite délégation a été conduite par le Président de la Fédération Malgache du Tennis de table AMBININTSOARIVELO Jean Herley. A cet effet, le Ministre coach réaffirme son soutien et a encouragé ces jeunes  à porter haut le flambeau de Madagascar à cette occasion. Par ailleurs, il a octroyé la somme de 6 millions d’ariary à ces sportifs à titre de contribution aux préparatifs. De son côté, le Président de la Fédération malgache de tennis de table a remercié le Ministre Coach. La délégation a manifesté sa reconnaissance envers le Ministre d’avoir accepté de coacher ladite discipline, mais également pour son soutien moral, matériel et financier. Ils ont promis de redoubler d’effort afin de gagner des médailles. A titre d’information, la délégation malgache sera composée entre autres du Président de la fédération, de 12 joueurs et de 2 coachs. Organisée tous les 4 ans, cette rencontre sportive réunira les jeunes provenant des 7 îles de la Zone Sud de l’Océan Indien, à savoir Comores, Djibouti, Madagascar, Maurice, Mayotte, La Réunion et Seychelles; 14 disciplines sportives sont à concourir.
 
 
 
Ny Nosy Maorisy no handray ny andiany fahafolo amin’ny lalaon’ny nosy ny 19  jolay hatramin’ny 28 jolay amin’ity taona ity. Mandray an-tanana ny mifanindrify aminy ny governemanta ho an’ny ekipam-pirenena hiatrika io lalaon’ny Nosy io . Araka izany, amin’ny maha mpiahy azy, noraisin’ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA, teto Ampandrianomby androany ny delegasiona avy amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Mankahery sy manohana hatrany ireo solontenana  handray anjara hitondra avo an’i Madagasikara amin’io lalaon’ny Nosy io ny tenany. Notoloran’ny Minisitra mpiahy lelavola 6 tapitrisa ariary izy ireo ho fanampiana amin’ny fanomanana hiatrehana ny lalao izay antenaina hitondra vokatra tsara. Velom-pisaorana ny teo anivon’ny federasionan’ny tenisy ambony latabatra notarihin’ny filohany AMBININTSOARIVELO Jean Herley. Nankasitraka ny Minisitra  tamin’ny nanekeny hiahy ity taranja ity sy ny fandraisany azy ireo, ny amin’ny tohana ara-moraly sy ara-materialy indrindra ny ara-bola. Manome toky ny filohan’ny federasiona nisolo tena ireo mpilalao, nandray fitenenana fa hanao ny ainy tsy ho zavatra hahazoana vokatra tsara. Nampahafantarina fa ny filohan’ny federasiona no hitarika ny  ekipam-pirenena malagasy ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra ahitana mpilalao 12 miampy mpanazatra 2. Isaky ny efatra taona no tontosaina ny lalaon’ny Nosy izay mampivondrona ireo tanora mpanao fanatajahan-tena avy amin’ ireo nosy fito aty amin’ny faritra Atsimon’ny ranomasimbe Indianina, ahitana an’ny Comores, Djibouti, Madagasikara, Maurice, Mayotte, La Réunion ary Seychelles, ary taranja 14 no hifaninanana.